<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>649</hymn_number>
<title>Ry mino miambena re FFPM649</title>
<lyrics>[V1]
 Ry mino, miambena re,
 Fa manam-pahavalo be ;
 Jesosy no arahonao
 Hitarika anao.
 Ezahonao ny dianao,
 Ny satroboninahitrao
 Miandry ao aloha ao,
 Ka mba tratraronao !
 Mba mivavaha, ry havako,
 A miomana ao am-po ;
 Andeha izao ilaozinao
 Ny zavatra ho lo !

[V2]
 Izao no fiadiana
 Omen'Andriamanitra,
 Ny fahamarinana alao
 Mba hisikinanao ;
 Hazony ny finoana
 Ampinga hanohanana ;
 Ny tenin'Andriamanitra
 No tena sambatra ;
 Ny famonjena raisonao
 Ho fiarovan-dohanao ;
 Ireo no hanoheranao
 Ny ratsy ao am-po.

[V3]
 Ry Havana malala ô,
 Andeha isika hiray am-po
 Hikatsaka ny lanitra,
 Fa ao tsy misy manjo.
 Ho faly ao an-danitra
 Ny vita fanompoana,
 Ka izao isika handao
 Ny zava-poana !
 Ho lasa faingana indray
 Ny androntsika an-trano lay ;
 Vonjeonao ilay tany vao
 Izay mandry fahizay.</lyrics>
</song>